| |
____________________________________
Fikambanana Nazarena-Madagascar....
Miarhaba anareo tonga manokatra sy mamaky ity pejy ity !
Ny fikambanana
Nazarena Madagascar dia teraka ao Aboalimena, komina iray
ao anatin ny distrikan’a Belo Tsiribihina , faritry
ny Menabe, faritany Toliara.
...tamin'y
fandrosoana
Noho ny zava misy iainan olona amin io toerana ( ny fomba
faharazana sy ny toe-tsaina) izay mbola tena sarotra ny fampidiranana
ny fanintarana dia tapahevitra Andriamatoa Dera Haidaraly,
izay teratany ahany koa ary amin’ny faritra eny hanangana
fikambanana izay hany lalana hitany hampidirana izay hevitra
mity rehetra ho a fampandrosoana; ka ny asa ataon’ny
fikambanana no sady ho fandrisen-dahatra sy fampianarana ny
olona.
Tamin’izany fiompina gana no nataony fikambanana mba
ho entena mampianatra ny mpiara-monina fa alaina ny fampideram-bola
fanampiny mba tsy ho ny vokatra vary sy hatsaka izay fotobakafo
no handeha, hamidy hividianana café na siramamy…(fivarotana
atody gana)
Tamin’ny taona 2003 dia miara-miasa tamin ny mpikaroka
avy a IRD ny Dera Haidaraly ary namanpy amin’io Ramatoa
Chazan Suzanne ta fikarohana izay nataony . Betsaka ny zavatra
hita ary azo bangoina tokana hoe sahirana ny mponina amin’ny
faritra any. Ny lolohevitra nomen i Suzanne ta izany dia fanaovana
fikambanana mirahavavy ka ny any France koa dia antoina hoe
“NAZARENA”. Tafapetraka izany fiaraha-miasa izany
manditra ny taona 2004 indrindra tao aorin’ny cyclone
Gafilo…
Tamin ny taona 2006 dia nampidirina indray ny fambolena anana
isan-karazany nefa noho ny antony voaliza etsy ambony dia
tsy dia mahitanam-bokatra loatia izany. Tapaka ary ny hevitra
fa raha tiana hisy marina ny fampamdrosoana dia amin’ny
alalany fanofana mba hisiany fomba fijery voavoa sy toe-kaina
hialana amin’ny mahazatra. Koa dia mioso aminy fanaovana
io toeranam-panifanam io ny fikambanana nanomboka ta 2007,
ary efa nahivita trano iray misy efitrano roa ary mbola hikasa
hampitombo izany a 2010. Tamin ity taona ity moa dia ny fikarakarana
ny taratasy rehetra hahozoana “agrément”
no amasoan’ny fikambanana ary ny fanaovana lava-drano
(vovo na hirizy).
Manao fampiopanana arak’asa koa ny fikambanana ary amin
izao fotoana atinenan-tsika izao dia efa mandeha ny sampana
fampianarana zaitra izay tampone kendrena dia hijoroany kaoperativan
ny zaitra. Mbola maro ny sampana izay tsy maintsy atsangana
ao anatin io fikambana io fa tsy mora ny manao zavatra.
Koa noho izany indrindra no itodihanay mpikambana NAZARENA
MADAGASCAR amin’ireo malala tanana sy ny ONG afaka hanampy
anay amin’izao fikasana lehibe hataonay izao, fa tsy
vitanay ireny ny ady hisian ny toe-tsaina vaovao sy fomba
fijery vaovao izay, antokin ny fampandrosoana marina hisian
izany fampiroboroboana ny fiompina sy ny fambolina ary ny
asa Tanana.
“Ny tao trano tompoko tsy efany irery” koa manantena
anareo na avy eto an-toerana na avy ny am-pita fa hitondra
fanohanana ho an ny fikambanana Nazarena Madagascar inanareo
amin’izao ady masina atrihiny izao dia ny mba hahazoana
manasoa ny mpiaro-belona.
Misaotra Tompoko
Ny Filoha , Dera Haidaraly

|

Nazarena (Madagascar) est une association à
but humanitaire enregistrée auprès de la Sous-préfecture
de Belo/Tsiribihina en date du 09 octobre 2002, sous le n°
65-DIST/Belo/Ass.

ny sekolynay tamin'Aboalimena
HAIDARALY Dera, Filoha, Jiolay 2009
(photo J.B.
Chazan©)
|